07/08/2025
Finaritra
🚨 23 ANDRO TAO ANATY FAHANGINANA : TATITRA MOMBAN'I SUPER MAMAN 🚨
16 Juillet 2025 - 7 Août 2025
"La main dans les pattes malala : Roso makany amin'ny fahasitranana isika mianaka" ❤️🩹
Ela ela izay no tena natory ny page-tsika
Misy fotoana aho reraka, misy fotoana aho ketraka;
Mibanjina ny hirifiry hiainanao,
Mahita ny fanaintanana izay vesarinao.
Misy fotoana aho kivy, misy fotoana aho resy;
Tsy zakan'ny foko ny fijalianao
Tsy zakan'ny saiko izay niainanao.
Fa anefa noho ianao ry zanako dia ao fa hiarina foana aho;
Fa noho ianao ri zanako dia hiady foana aho ho anao, hoan'ireo izay toa anao.
Tomany isan'andro, kikiaka isan'andro no niainanay nandritra izay 23 andro izay.
Mijery ilay reny lavo, mijery ilay reny resy manoloana ireo zanany.
Nodiovina isan'andro ny fery,
Nokikisana isan'andro ny nofo mba tsy ho lo.
Tsindrona isan'andro; Mihoson-drà isan'andro, miaraka mitolona, miady hoan'ny ainy.
Nisy fotoana toa tsy nandroso, nisy fotoana lasa zary manontany tena hoe sao hirifiry loatra ity hiainany, sao laha mba tsy ho sitrana intsony ka indro mampitombo ny fanaintainany.
Nisy fotoana nijanona ny hiady izy, tsy nety nitsangana intsony, tsy nety nisakafo intsony, ny masony nakipiny tsy mety nahirany intsony.
Vao mahare ny tomanin'ireo menakin'ny ainy izy anefa dia mba mihiratra kely... Mba miezaka miharina kely.
Dia iny fa velom-panantenana indray,
Dia iny fa nianatra namindra indray..
Dia iny fa niverina nisakafo indray...
Anio izy efa mahay mandeha, mbola ho ela vao ho sitrana ny fery fa manantena foana anefa fa ho sitrana izy.
Mitodika aminareo namana rehetra..
-Ampio izy amin'ny fitsaboana fa mbola tsy vita ny adiny.
-Andao mba hifarimbina hanao vaksiny an'ireo zanany.
- Ampio izy fa mila tena tohanana ara-tsakafo handreseny izato ratrany
🥇Ny hany fantatro dia ity : Reny mendrika izy, tena tia an'ireo zanany. 🥇
Andao hiaraka hifarimbina hoan'ireo ankohonana kely ireto fa efa mafy loatra ny hirifiry natao tamin'izy ireo.
Manantena anareo,
SUPER MAMAN 🐾❤️
MVola: 034 62 782 24 ANIMAL VOICE MADAGASCAR
- Orange Money: 032 27 867 20 Manitra
- PayPal : https://www.paypal.me/AnimalVoiceMdgscr
- Pejy Instagram :
https://www.instagram.com/animal_voice_madagascar?igsh=NHVmcGk3M2RmNGpt