17/02/2026
🚨NAPETRATSIKA NY FANAMBY - TRATRATSIKA NY TANJONA 🚨
🙏Indro ny tatitra ny fanohanana ireo namantsika tsy misy mpiahy nandritrin'ny 4 andro. 🙏
Eny tena kely no vita, misy milaza hoe tsy mahavita ninoninona izay sakafo nandritrin'ny 4 andro fotsiny.
Fa faly izahay, tena mamy loatra ianareo namana tia biby rehetra.
💔Tsy ho azon'ny sasany izany hoe mikatona ilay mpivarotra fitsiponan'izy ireo sakafo dia mandry fotsy no sady jinitrin'ny orana.
💔Tsy ho azon'ny sasany izany hoe na ny fako ho karohina hoanina aza tsy misy fa atsonikin'ny ranon'orana dia mipitrapitra ambodi- bac eo fotsiny no azo atao.
💔Tsy ho takatrin'ny sasany izany hoe reny mila mampinono anefa ny ao ankibo aza foana satria tsy misy sakafo hoanina izany.
Niezaka isika rehetra hanohana azy ireo nandritrin'ny 4 andro mandrapiverin'ny fiainana amin'ny laoniny indray.
Ambatobe - Besarety - Betongolo - Faravohitra - Isotry - Ambodin'isotry - Ampasika - Itaosy - Andravoahangy - Anjanahary - Manjakaray - Amboditsiry
Ireo no toerana vitanay 3 dahy kely nandritra izay 4 andro nisesy izay.
Eny vitsy no afaka satria andro sy ora fiasana.
Nanavotra an'izy roa vavy koa isika , tsy maintsy noentina refuge izy ireo fa ny iray vaky ny sofiny mandeha rà foana, ny iray nisy nanala ny masony roa 💔
Amin'ny 6 Ora maraina dia mahandro vary 3 vilany be , mitetika légumes tapa gony isan'andro 😅 , miloloa koveta feno vary, manao dokera mibata gony croquettes ,manasa gamelle, miondrika manome, mitraka mangorona vilia ... Dia lasa indray mifindra toerana.
Dia maizina indray vao tafiditrin'ny trano.
Tena Nasisou bé izahay mody, maimbo alika, maimbo kitay, maimbo hafahafa 🤣😅
🙏Eto dia misaotra antsika rehetra nandray anjara tamin'izany hetsika izany,
🙏Misaotra an'ireo olona sendra nandalo fotsiny anefa dia nijanona niaraka mifanampy tamin'ny ekipa.
Misaotra rahavako, misaotra anareo 🙏🐾