22/03/2026
SAKA MIHINANKINAM-POANA!
Nipotsaka (nivoaka) ny tsinay maintin'i MIMI fa mafy be ny tainy nandritry ny andro vitsyvitsy sady misy zavatra tsy levona. Tsy maintsy averina amin'ny laoniny haingana ary zairina ny lava-bodiny hitazomana ny tsinainy tsy hivoaka indray. Mijanona eo mandritry ny andro maromaro ny zaitra atao aminy ary misy fitsaboana mila arahana akaiky mba ahazoana fahasalamana haingana sy ho fisorohana ny fiverenan'izany.
Ireto misy antony vitsivitsy mety hampivoaka ny tsinaim-body ( renversement re**al na prolapsus re**al):
- Mihinankinam-poana: taolana, sachet, baoritra, bozaka,tany sns...;
- Mafy tay( constipation)nohon'ny tsy fahampian-drano, boule de poil, tsy ampy hetsika( motion physique), megacolon sns;
- Fivalanana ela loatra( diarrhée chronique);
- Be kankana loatra sns.
FISOROHANA:
- Sakafo volanjalanja tsara( digestibilité>95%);
- Mila ampy rano tsara ny saka;
- Tsaboina haingana raha misy aretin'ny taovam-pandevonan-kanina (mandoa matetika, mivalana matetika, mafy tay matetika);
- Manome ody kankana ara-dalàna sy ara-potoana ( kalitao sy fatra mifanaraka amin'ny sakanao)
- Bangoina matetika ny volo ary tsaboina ny areti-koditra mampihintsam-bolo be loatra;
Raha vao misy mampiahiahy amin'ny fahasalaman'ny saka dia hoento manatona toeram-pitsaboana haingana fa matetika ny saka tsy tonga ety aminay raha tsy efa resy be.