22/05/2023
Mbola ao anatin'ny fotoanan'ny fampidirana renintantely izao ka ireto aza misy toromarika vitsivitsy tsara harahina momba ny toerana hasiana ny vata ho an'izay hikasa hampiditra:
- Toerana ahitana voninkazo maro (aman'arivony) anatin'ny 3km manodidina ny vata
- Toerana tsy mando lava na misy rano miangona
- Toerana tsy misy rivotra mahery mitsoka
- Toerana tsy maloka be fa azon'andro tsara
- Toerana mora andehanana mba tsy hanairana ny fanovana suivi,
- Alavitry ny lalana iombonana, hopitaly, fianarana ...
- Asiana support ny ruche mba hialàna amin'ny hamandoan'ny tany, mba tsy ho mora hidiran'ny fahavolo ary mba hanamora ny fanaovana visite,
- Tsy tokony hisy zavatra manakana na manelingelina ny tantely eo anoloan'ny trou de vol,
- Atao mitodika any antsinanana ny fidirana amin'ny vata mba azahoan'ny tantely masoandro vao maraina,