15/10/2023
Salama, averiko eto foana ity publication ity fa toa tena mbola betsaka ny olona tsy maharaka mo ko sady mia betsaka ny olona miditra ato anaty vondrona😁 vao hitaiza angamba ianareo ireny😜
Hena: MANTA sa MASAKA?
Diso: Rehefa hena dia mety, misy hena sasany tsy mahazo omena manta. Ohatra: Henakisoa, henan'akoho indrindra ny poulet de chair.
Marina: Ny hena mahia no tena tsara ho an'ny alika, fadio ny manome hena matavy indrindra hena masahana.
Diso: Tsy mahazo mihinana trondro ny alika. Ny henan-trondro no hena tokana tena tsy miteraka "allergie" ho an'ny alika no marina. Izay no anton'ny hoe ny croquette tena tsara indrindra dia trondro ihany no hena anatiny (ohatra: Gosbi grain free)
Marina: ny hena manta dia feno kokoa ny otrik'aina oentiny oharina masaka ary mety kokoa -pandevonankanin'ny alika. Ny hena manta dia tsy loa rehefa anaty tsinay ka tsy maimbo be ny tain'alika na mangetodava izy.
Marina: Ny hena manta anefa dia mety mitondra "bacterie" sy "parasite" ho an'ny alika ka tsara kokoa raha mpivarokena azo atokisana sy hena vaovao foana hatrany no omena ny alika.
Diso: Taolana ihany dia ampy: tsy ampy tompoko ny taolana ary miteradoza ho an'ny alika ary ny taolana maranitra na taolana vakin'ny nify. Ny taolana masaka vao mia maranitra. Tena fadio tanteraka.
Diso: Hena ihany dia ampy iveloman'ny alika: mila otrik'aina hafa ny alika mba tsy isian'ny carence. Mitondra "proteine" sy "graisse" ny hena fa mila vitamine, mineraux, glucides ny vatan'ny alika mba ahafahany manana "equilibre nutritionnel".
Azon'ny alika atao tsara ny mihinana vary, katsaka, fa manaraka fenitra tsara, misy karazany tsy mahazo mihinana anefa (ohatra: Husky, samoyede,...)
Diso: Ny alika mihinankena manta dia lasa mihinana olona: ny alika tompoko mihinankanina satria noana, ary manaikitra satria tezitra na miaro tena. Samihafa ny verbe "manger" sy "attaquer", raha marina fa lasa manaikitra ny alika mihinankena dia rehefa avy nanaikitra olona izy dia nohaniny ny nofony fa tsy navelany naratra fotsiny.
PS: io resaka apport nutritionnel ambony kokoa io no mahatonga ny "croquettes" tahakan'i GOSBI t@ nanamboarana azy natao "cuisson a basse temperature" mba itazomana ny hery rehetra anatin'ilay sakafo.