VIP-Cabinet et Pharmacie Vétérinaires

VIP-Cabinet et Pharmacie Vétérinaires Veterinera Iankinan'ny mPiompy
Vétérinaires 🐩🐈🐖🐇🐄🐓
TONGASOA🤗
Andombontany,Sab/Nam,M/car

🎯 « Vohoka, zaza, biby? Mety miaraka ve ? »Fanontaniana matetika misy mametraka ato amin’ny « cabinet »:☝️« Dokotera ah!...
20/08/2025

🎯 « Vohoka, zaza, biby? Mety miaraka ve ? »

Fanontaniana matetika misy mametraka ato amin’ny « cabinet »:
☝️« Dokotera ah! Sao misy afaka mandray ity alikanay ity fa efa manomboka mandady 🚼ilay zanako dia tsy afaka hitazona azy intsony izahay »
na ihany koa hoe
👉« Behovoka 🤰madama dia ahoana ny atao amin’ity sakanay 😽ity Radoko ? »

Ny havalinay :
⛔️TSY VOATERY MISARAKA ianareo tompoko!

✅ Amin’ny ankapobeny dia azo atao tsara ny miompy rehefa manan-janaka 👶na mitondra Vohoka 🍼

⚠️ KANEFA KOSA, mila MITANDRINA ary manaraka TORIMARIKA amin’ireto fisehon-javatra ireto :
1️⃣Araho tsara ny fanomezana odin-kankana sy vaksiny amin’ireo biby ireo
2️⃣Tsara raha olon-kafa no manadio ny toeram-pivoahana (litière) ho an’ny saka na manao gants ho an’ny vehivavy bevohoka mba hisorohana ny « toxoplasmose »
3️⃣Hajao tsara ny fahadiovana : manasa tanana avy milalao azy ireo
4️⃣Tsy asaina manoroka ny zaza izy (lechouilles)
5️⃣Ampianaro ireo biby namantsika mba tsy ahery setra loatra (éducation)
6️⃣Aza adino anefa ny mba manome fotoana azy na misy zaza ary mba tsy ahatsiaro anjorom-bala (délaissé) izy

💡 Tadidio fa tena betsaka ny zava-tsoa azo avy amin’ny fananana biby ho namana ao an-trano ho an’ny zazakely:
👌Fanamafisana hery fiarovana
🤞Fivelarana ara-tsaina
✌️Firaiketam-po
👇Fampianarana mandray andraikitra

😌⛔️😌 TANDREMO kosa fa raha misy « allergies » (amin’ny volon-tsaka ohatra) ka nahazo torimarika avy amin’ny dokotera hoe TSY MAHAZO miara-miaina amin’ny biby. Mila arahina tsara ireny torimarika ireny!!!!👩‍⚕️🧑‍⚕️

Izay fa dia aza misalasala:
📱miantso na mandefa hafatra na whatsapp @038 12 047 74 na
🚶‍♀️manantona ety ety Andombotany Ankadikely Sab Nam na
💬 mandefa hafatra miafina amin’ilay pejy VIP Cabinet et Pharmacie Vétérinaires ity
Raha misy fanontaniana manitikitika 😹
👋👋👋

🐾 Devinez qui est de retour ?Notre community manager… et notre page Facebook ! 🎉Quelques mois sans nouvelles ici… mais p...
10/08/2025

🐾 Devinez qui est de retour ?
Notre community manager… et notre page Facebook ! 🎉
Quelques mois sans nouvelles ici… mais pas d’inquiétude :
vos animaux, eux, ont été chouchoutés non-stop ❤️

Raha sanatria :-Tsy ampy nono-Tsy mety mampinono-Maty-Maro zanaka loatra-Hovarotana ny ronono (omby,ondry)'ny bibinao.Di...
11/11/2024

Raha sanatria :
-Tsy ampy nono
-Tsy mety mampinono
-Maty
-Maro zanaka loatra
-Hovarotana ny ronono (omby,ondry)
'ny bibinao.
Dia efa misy solon-dronono na LACTOREMPLACEUR mety aminy sy mifanaraka tsara amin'ny toe-batany fa tsy voatery mahasalama azy (tena mankarary mihitsy) raha ronono natao ho antsika olombelona no omena azy.

Aza misalasala manantona matihanina raha sendran'ireo ny biby ao an-trano.

Ato amin'ny VIP-Cabinet et Pharmacie Vétérinaires dia misy LACTOREMPLACEUR karazany maro mifanaraka amin'ny biby tsirairay.

0381204774
Andombontany Ankadikely Sabotsy Namehana

18/09/2024

Fametrahana « puce d’identification » ny akohontsika HAMAHANA olana sy HAHAVITANA zavatra maro:
-hanavahana ny samy akohonao ao an-tanàna,

-rehefa afindra any @ naman-dratsy ,tsy afaka hiteny intsony izy hoe tsy izy io rehefa manitsana ,

-rehefa hangalarin- dry zalahy dia tratra eny @ kianja dia vakiana fotsiny,

-rehefa mivarotra dia hita eo fa tsy tolaka fa tena taranak'i Pipil marina na i lita,

-vatsiana" lecteur " ny eny @ taxi- brousse dia vakiana fotsiny ny akoho halatra vao tsy mahavaly fanontaniana ny laharan'ny puce izay mitondra akoho.

Afaka miantso mivantana ny laharana 038 12 047 74 na mandefa hafatra miafina VIP-Cabinet et Pharmacie Vétérinaires raha mila fanazavana fanampiny.

Misy ihany koa ny « puce d’identification » ho an’ny alika, saka, bitro, … 😉

Fanontaniana misy mametraka matetika :1) Misotro rano ve ny bitro ? 💧🚰💦Valiny : Eny tompoko, tena misotro ary tena tia r...
05/09/2024

Fanontaniana misy mametraka matetika :
1) Misotro rano ve ny bitro ? 💧🚰💦
Valiny : Eny tompoko, tena misotro ary tena tia rano ny ankabeazan’ny bitro. 🥵Indrindra ka mafana ny andro na somary maina ny sakafo omenareo azy.
2) Tsy maintsy mihinana karoty ve ny bitro? 🥕🥕
Valiny : Tsia tompoko, tsy voatery omena karoty izy ireo. Raha tena tia hanome karoty ianao dia kelikely ihany fa ambony ihany ny tahan’ny siramamy ao amin’ireny karoty ireny ka mety hiteraka areti-nify ho azy. 🦷
3)Mety miaraka taizana ve ny bitro sy ny alika? 🐕🐇
Valiny : Miankina amin’ny alikanao ihany hoe tia miaraka amin’ny biby hafa ve izy satria misy tsy maninona fa misy kosa anefa tena tsy tia bitro mihitsy ka aleo ihany mitandrina, indrindra rehefa tsy eo ianao. ⚠️

Des questions qui reviennent souvent :
1) Est-ce que les lapins boivent de l’eau? 💦💧🚰
Réponse : Oui bien sûr, la majorité des lapins boivent et aiment boire de l’eau. 🥵Surtout lors des temps chauds ou quand leur alimentation est pauvre en eau.
2)Les lapins doivent-ils manger des carottes?
Réponse : Pas forcément. Si vous voulez leur donner de la carotte, il faut leur en donner en petite quantité pour ne pas abîmer leurs dentitions car les carottes contiennent beaucoup de sucres. 🦷
3)Peut-on avoir un chien et un lapin dans un même foyer ?🐕🐇
Réponse : Cela dépend de votre chien si il est sociable avec les autres animaux. Il faut tout de même faire attention, surtout quand vous êtes absents. ⚠️

Sary fanehoana : « Aiza ary aho izany? » hoy Talasso 🐇🐰🤔

Image : « Où suis-je? » se dit Talasso


Rehefa samy miezaka sy miara-miasa ny tompony sy ny mpitsabo biby ary tsy manaiky resy ny biby tsaboina 😍😍😍Quand le prop...
27/08/2024

Rehefa samy miezaka sy miara-miasa ny tompony sy ny mpitsabo biby ary tsy manaiky resy ny biby tsaboina 😍😍😍

Quand le propriétaire et le vétérinaire travaillent main dans la main, avec le petit bout qui ne se laisse pas vaincre par la maladie 😍😍😍

Coucou Marley 👋🥰

VIP Cabinet et Pharmacie Vétérinaires
Andombotany Ankadikely Sabotsy Namehana
038 12 047 74

Inona no azo hanampiana anao Dokotera ? 🤭😸😹Mirary talata finaritra antsika 😀Qu’est ce que je peux faire pour vous Docteu...
20/08/2024

Inona no azo hanampiana anao Dokotera ? 🤭😸😹
Mirary talata finaritra antsika 😀

Qu’est ce que je peux faire pour vous Docteur ? 🤭😸😹
Bon mardi à tous 😀

VIP Cabinet et Pharmacie Vétérinaires
📱📞📳 038 12 047 74
📍Andombotany Ankadikely Sabotsy Namehana

⚠️Ny HAROMOTANA hoe ? Inona no tokony atao?⚠️La RAGE ? Comment faire face
10/07/2024

⚠️Ny HAROMOTANA hoe ? Inona no tokony atao?

⚠️La RAGE ? Comment faire face

Miarahaba antsika tsy an-kanavaka! 🫡Mbola tena mandrongatra fatratra ny HAROMOTANA eto Madagasikara. Io aretina io anefa...
10/07/2024

Miarahaba antsika tsy an-kanavaka! 🫡
Mbola tena mandrongatra fatratra ny HAROMOTANA eto Madagasikara. Io aretina io anefa :
☹️
-Mifindra amin’ny OLOMBELONA 👫
-Tena MAHAFATY(100%) TSY MISY FANAFANY ☠️
-Mety misy na any na ALIKA (na OMBY,sns) 🐈🐕
🙂
-AZO SOROHINA TSARA 🚫anefa
Amin’ny fomba ahoana ??? 🧐
-Fanaovana VAKSINY ny ALIKA sy SAKA ao an-trano!!! 💉😸🐶
-Fanantonana ny tompon’andraikitry ny fahasalamana amin’ny ady amin’ny HAROMOTANA raha SANATRIA VOAKAIKITRA na VOARANGOTRA na VOALELAKA (Centre de Traitement Antirabique) 👩‍⚕️👨‍⚕️

Nanapaka hevitra ary izahay hoentina MIADY 🤺🧯fa:

-Hanao VAKSINY FANEFITRY NY HAROMOTANA 💉😡misy FIHENAM-BIDY 💸💰ny VIP Cabinet et Pharmacie Vétérinaires Andombontany amin’ity volana JOLAY IRAY MANONTOLO
-Afaka MIANTSO FOANA 📲☎️na MANANTONA MANONTANY 🏃‍♀️ny TOKONY ATAO raha sendra TOE-JAVATRA MAMPANAHY 🤔

🪧« MANAINGA ANTSIKA HIARA- HIENTANA AMINAY HIADY AMIN’ITY ARETI-MANDOZA HAROMOTANA ITY » ✊🤝

Salutations à tous!🫡
La RAGE reste un fléau national à Madagascar. Or, cette maladie:
☹️
-Peut se transmettre aux humains 👫
-EXTRÊMEMENT MORTELLE (100%) ☠️
-Peut atteindre les CHATS et les CHIENS (même les bovins, etc.)🐕🐈
🙂
-Peut être ÉVITÉE 🚫
Par quels moyens???
-La VACCINATION des CHATS et des CHIENS de compagnie!!! 💉😸🐶
- Approcher les Centres de Traitement AntiRAbique les plus proches en cas de MORSURE, GRIFFURE, LÉCHAGE 👩‍⚕️👨‍⚕️

Nous avons alors décidé 🤺🧯de :
-Faire une CAMPAGNE de VACCINATION et de LUTTE CONTRE LA RAGE 💉😡 à prix réduit 💸💰au sein du Cabinet et Pharmacie Vétérinaires Andombotany TOUT ce mois de JUILLET
-Vous pouvez toujours APPELER ☎️📲ou VENIR 🏃‍♀️au sein du cabinet si vous avez des questions ou faites face à UNE SITUATION INQUIÉTANTE.🤔

🪧« TRAVAILLONS ENSEMBLE POUR LUTTER CONTRE CE FLÉAU QU’EST LA RAGE »🤝✊

Déjà 2 ans!!! 2 belles années! 2️⃣🎂🥳Des hauts, des bas mais surtout de belles aventures 🤩🎉Encore un grand Merci 🙏 à tous...
30/05/2024

Déjà 2 ans!!! 2 belles années! 2️⃣🎂🥳
Des hauts, des bas mais surtout de belles aventures 🤩🎉
Encore un grand Merci 🙏 à tous!!! Merci Merci Merci 🥰

De belles surprises sont à venir 🤯alors ne partez pas loin 😉
……… À suivre ………

2 taona !!! 2 taona tsarakely 2️⃣🎂🥳
Nisy ambony, nisy ambany fa betsaka ny nahafinaritra 🤩🎉
Dia mbola mankasitraka foana 🙏 Misaotra Misaotra Misaotra 🥰

Hisy zava-mahasoa ho avy 🤯 fa aza miala lavitra ary eh 😉
…………Mbola hitohy ……….

Address

Andombotany Ankadikely Sabotsy Namehana
Sabotsy-Namehana
103

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:30
Tuesday 08:30 - 17:30
Wednesday 08:30 - 17:30
Thursday 08:30 - 17:30
Friday 08:30 - 17:30
Saturday 08:30 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when VIP-Cabinet et Pharmacie Vétérinaires posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category