Bondikely Bushido FARM

Bondikely Bushido FARM Elevage et préparation de coqs de combat à Ambohimangakely - Tana 103

"Quels que soient enjeux, PARTAGER notre passion du combat de coqs est une manière de perpétuer une tradition."

FITSABOANA SY FIKARAKARÀNA NY VAVAN'AKOHO MPIADYOlona ara-tekinika matetika mpahazo antsika eny ambony kianja ny tsy fah...
13/01/2026

FITSABOANA SY FIKARAKARÀNA NY VAVAN'AKOHO MPIADY

Olona ara-tekinika matetika mpahazo antsika eny ambony kianja ny tsy fahatomombanan'ny vavan'ny akoho oentintsika. Toy ny kirana rehetra amin'ny akoho dia mivoatra sy maniry manaraka ny fampiasan'ilay akoho azy iny sarom-bavany iny. Raha manifinify maranitra natao handrovitra sy hanapaka ny zavatra raisiny ny vava ambony dia dombodombo sy matevina natao hiketota kosa ny vava ambany.
Amin'ny akoho mpiady dia ny vavany no solon'ny tanana hisamborany sy hitsaingohany ny mpifanandrina aminy ka mety hanova ny adiny sy ny ranjo ataony mihintsy ny tsy fahatomomban'io vavany io. Malemy noho ny fantsy sy ny taolan-dranjo mifanehitra aminy anefa ny sarom-bava rehefa voadaka ny lohan'akoho, ka matetika marary sy mitondra takaitra rehefa mafy sy maharitr'ela ny ady. Arak'izany dia mila arahana maso akaiky ny fahasalaman'ny vavan'akoho mandritra ny fanomanana azy hiady, ahafahana manamarina fa vava tsara mahafeno fepetra tokoa izany vava oentiny hiatrika ady izany.
👉 Ireto avy ny toetra hita maso ahafantarana ny vava tsara mahafeno ny fenitre 100% :
• Mangilohilo sy mangirana tsara ny fonony ivelany (émail) mandrakotra ny vava manontolo.
• Mitovy ny lokony manomboka eo amin'ny fotokorona ka hatreo amin'ny lohavava.
• Midongona matevina tsara ny tampon'ilay vava dia somary malefaka ny lohany ahafahany mihetry sy mihevotra rehefa voadona.
• Feno sy maranitra tsara ilay hareza kely mamarana ny molony ambany manodidina ny lohavavany iny.
👉 Raha ahitana lesoka ny vava dia tsara apetraka foana ihany ny ahiahy ahafahana mametra am-pisainana ny loka atao sy hifehezanana ny fitaintainana diso tafahoatra mety handiso ny vina napetraka. Ireto ary misy fambara vitsivitsy hita matetika amin'ny vavan'akoho misy lesoka :
• Mangavoka na mihofaka ny fonom-bavany ivelany (émail) : vava maina makìna efa antitra na ratsy karakara. Mety hitritra sy ho tapaka avy hatrany, mety hiala manta mihintsy raha voadona mafy.
• Vava misy mamaritra sy manapaka (vava bemiray) : ampaham-bava vaovao mbola tsy hary tanteraka. Ohatra hita amin'ny akoho avy niady garazy dia nisy rimbona ny foto-bavany. Efa sitrana ny fery amin'iny fa mbola tsy niverina 100% anefa ilay fonony natao hiaro azy.
• Vava mangana (fery vao) na misy diantoro manompo fotsy (fery anatiny efa sitrana) : Vava tsy maintsy hipoa-maina rehefa misondrotra ilay solony ao ambaniny.
• Vava mipoa-maina : Efa niendaka ilay fonony ratsy taloha ary mipoitra ilay fonombava vaovao. Vava tsy mbola tsy maray izy io sady mbola marefo mora mitritra.
• Vava manify : vava vaovao vao tonga fa mbola tsy hary tanteraka. Andrasana hatevina tsara ny tampony ary mila feno sy maranitra tsara ilay hareza kely mamarana ny molony ambany manodidina ny lohavavany iny vao azo lazaina hoe tomombana 100%.
👉 FIKARAKARÀNA NY VAVA TSARA (entretien) :
• Fadiana ny mampiady na mitsapa akoho vatony amin'ny akoho efa antitra be noho izy satria tsy mitovy ny hamafin'ny taolana (densité osseuse) ka mety hampitondra takaitra miafina any amin'ny vava sy ny vanintaolana.
• Fanomezana sakafo ara-pahasalamána feno sy ampy fatra. Atao vaindohandraharaha ny sakafo betsaka calcium sy phosphate ahafahan'ny vatany miantoka ny akora ilaina rehetra amin'ny famokarana ny sela mandrafitra ny kirana.
• Apetraka matetika amin'ny toerana misy tany mafy ny akoho afahafahany mikolokolo sy mandrangitra ny vavany. Raha tsy izay dia haniry ho lasa lava loatra ilay lohavava sady hanify mora mitritra.
• Hosorana voantseva sy tongolo gasy totoina miaraka amin'ny tantely madio tsy mitapoka ny kirana rehetra : vava, fantsy, kirandranjo, oho. Atao mandritra ny telo andro misesy averina miantaona isakin'ny 10 andro. Marihina fa fikarakarana atao mandavantaona io ho an'ny akoho mbola eo ampiherin'asa. Efa misy ihany koa ny vokatra matihanina natokana hikarakarana ny vava sy fantsin'akoho. Ohatra : https://www.facebook.com/share/p/1DCWCqJY2g/
👉 FITSABOANA AKOHO NIALA VAVA :
• Idîna anaty garazy kelikely misy lafika bozaka matevina sy fasika vaventy mba tsy itehenan'ilay vava vaovao amin'ny tany mafy aloha mandrampahary azy tanteraka.
• Atao azon'andro tsara ny toerana asina azy satria ilaina ny tara-pahazavan'ny masoandro hanodonana ny sokay hivadika ho kirana fonon'ilay vava.
• Hosorana goudron de norvége isankariva alohan'izy efa hatory tsy hikarokaroka tany iny intsony hanafaingianana ny fanirin'ilay fonombava vaovao.
• Mampiasa solom-bava na "faux bec" hiarovana sy hanintsìna ny fanirin'ilay vava vaovao andrasana ary ihany koa mba ahafahany mamahan-tena tsy mila kakàna.
• Andrasana ho feno sy mafy tsara foana ny vava vao ampiasaina ny akoho raha tsy tia hitsabo vava tsiankijanona.

L'AIGLE - USA by Bondikely FARM
26/12/2025

L'AIGLE - USA by Bondikely FARM

KADHAFI - 2026 mihaona e... itadiavana vady sahaza kely anankiray aloha mandrampiandry ny orana hitsahatra 🤭🤭🤭
22/12/2025

KADHAFI - 2026 mihaona e... itadiavana vady sahaza kely anankiray aloha mandrampiandry ny orana hitsahatra 🤭🤭🤭

Aleo mba asiko local ihany ato an-tokontany na dia iray monja ahatsiarovana ny andro mamiratra fahiny fony mbola nanjaka...
15/12/2025

Aleo mba asiko local ihany ato an-tokontany na dia iray monja ahatsiarovana ny andro mamiratra fahiny fony mbola nanjaka teo anivon'ny adin'akoho malagasy ny kilalao madio sy magarahara e... Tsara ny akoho vaovao ary manana tombony maro raha oharina amin'ny karazan'akoho taloha raha tsy hitanisa afa-tsy ny fivoarana ara-teknika sy ny hamafisan-dranjo mandrivorivo fotsiny ohatra isika. Fa amiko manokana ary tsy voatery hitovy hevitra amiko ianareo mpanaraka ny pejy amin'ity resaka ity fa mafy sy feno ara-kalitao kokoa ny ady taloha satria hentitra ny fitsipika nifehy ny lalao ary tena nitaky akoho sady mamely no mahazaka asina, hany ka matetika tsy mahatody ady raha vao akoho tsy ampiampy carats na ratsiratsy vaotra no oentina miakatra an-kianja.
by Bondikely FARM

Tsy mila ampitovina elabe fa mba hifandrombahana amin'izay kosa izao eny an-kianja leazah 🤣🤣🤣
27/11/2025

Tsy mila ampitovina elabe fa mba hifandrombahana amin'izay kosa izao eny an-kianja leazah 🤣🤣🤣

Petit modèle fa ts mivaona amin'ilay teny filamatra :L'efficacité avant tout !
15/11/2025

Petit modèle fa ts mivaona amin'ilay teny filamatra :
L'efficacité avant tout !

11/11/2025
COCKTAIL - Shamo x Pama
11/11/2025

COCKTAIL - Shamo x Pama

THE KID - Mon repro américain 🇺🇲🇺🇲🇺🇲
29/09/2025

THE KID - Mon repro américain 🇺🇲🇺🇲🇺🇲

Mba hilalao kely amin'izay
29/09/2025

Mba hilalao kely amin'izay

Ho fankalazana ny fahafolo taona nisokafan'ny Pejy Bondikely FARM dia misy fihenam-bidy goavana sy kilalao misesisy hoka...
28/01/2025

Ho fankalazana ny fahafolo taona nisokafan'ny Pejy Bondikely FARM dia misy fihenam-bidy goavana sy kilalao misesisy hokaraikainay mandritra ity taona 2025 ity ka loka marobe no hozaraina amin'izany.
👣 Arao tsy tapaka ary ny pejy ahafahanao mandray anjara amin'ireo lalao ireo sy misitraka ny valisoa rehetra 👍👍👍

Fanefitra ho an'ny tongotra mivonto.👉 Tsindrona 3 andro misesy👉 Pommade hosorana indroa isanandroTEL. 034 11 502 51
14/11/2023

Fanefitra ho an'ny tongotra mivonto.
👉 Tsindrona 3 andro misesy
👉 Pommade hosorana indroa isanandro
TEL. 034 11 502 51

Address

130 BII Ambohimitsara
Ambohimangakely
ANTANANARIVO103

Telephone

+261341150251

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Bondikely Bushido FARM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Bondikely Bushido FARM:

Share

Category