Projet Zoloke-Asara Amboasary SUD

Projet  Zoloke-Asara Amboasary SUD Présenter les activités et résultats des équipes du projet ZOLOKE/ASARA Amboasary Sud

21/07/2018

Ny tetik'asa ASARA izay vatsian'ny vondrona Eoropeanina vola dia mitady hatrany ny hampivoarana ny fiainan'ny tantsaha mpamokatra aty amin'ny faritra Atsimon'ny Nosy. Koa na dia efa an-dalam-pikatonana aza ny tetik'asa Zoloke ASARA dia mbola nikaroka ary nifanao sonia fiaraha-miasa tamin'ny PRACTICA Foundation mba hametraka foto-drafitr'asa rano fanondrahana izay mandeha amin'ny herin'ny masoandro na "forage irrigation avec pompage solaire". Voalohany eto amintsika izy ity ary amin'izao andrana izao dia fikambanana telo izay tohanan'ny tetik'asa Zoloke/ASARA eto amboasary Atsimo no nanombohana azy.
- Fikambanana SOAFIAVY ao Bevala CR Amboasary
- Fikambanana LOVAN'AINA ao Ankirikirika CR Behara
- Fikambanana SOAFIAVY ao Anapemba CR Behara

Notokanana ny 12 jolay teo ny foto-drafitr'asa 3 ary natolotra ireo komity mpitantana ny fitaovana fanondrahana.

Ny Pompe solaire SF2 dia natao hanondrahana velaran-tany eo amin'ny 0.4ha, afaka mamoaka 3.6m3/ora
Mba hampitomboana ny velaran-tany voatondraka dia nanamboarana fitehirizan-drano 2m3 miisa 3 miaraka amin'ny vovo iray.
Azo atao ihany koa ny manampy ny forage ary afindrafindra araka izay ilana azy ny paompy.

Ny sary no hanampy ny fanazavana, ary raha misy liana dia ireto ny fifandraisana:

forrage irrigation avec pompage solaire
21/07/2018

forrage irrigation avec pompage solaire

FIOMPIANA:Ny fiompiana dia mifandray hatrany amin'ny fambolena. Manana anjara toerana eo amin'ny Malagasy ny fiompiana. ...
21/06/2018

FIOMPIANA:
Ny fiompiana dia mifandray hatrany amin'ny fambolena. Manana anjara toerana eo amin'ny Malagasy ny fiompiana. Zava-dehibe ny fanomezana ireo toro-hevitra ho an'ny mpiompy mba hanaraka ireo fanatsarana mifanaraka amin'ny zavamisy. Nametraka koa ny tetik'asa ireo Mpiompy Mpanampy amin'ny asa veterinera mba hanampy amin'ny asa eny ifotony ka ho voara-maso hatrany ny fiompiana eny amin'ny fokontany tsirairay.
Ny tetik'asa Zoloke Asara dia mirary soa ho an'ny vahoaka rehetra manerana ny Madagasikara.l

FAMBOLENA: Zavadehibe ho an'ireo mpamboly ny toro-hevitra mba ahafahani'izy ireo mahaleo-tena amin'ny asa rehetra izay a...
21/06/2018

FAMBOLENA:
Zavadehibe ho an'ireo mpamboly ny toro-hevitra mba ahafahani'izy ireo mahaleo-tena amin'ny asa rehetra izay ataony.
Nanome fiofanana, nanentana ary niara nidinika tami'nireo vahoaka ny tetik'asa Zoloke Asara (AVSF, FAFAFI) Mba hanatsara ny fambolena izay ataon'izy ireo ary natao izany hifanaraka amin'ny zavamisy eny antoerana.
Teo ihany koa ny fametrahana sehatr'asa mifandray amin'izany : ny Toerana ahita masomboly sy fitaovana, ny mpiandraikitra ny mpamono bibykely mpanimba ny voly.
Ankehitriny dia nafindra amin'ny vahoaka sy ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny ny fanohizana ny fanentanana sy ny fampandrosoana hatrany ny fambolena. Ny tetik'asa Zoloke Asara kosa dia mirary soa ho an'ny vahoaka rehetra manerana ny Madagasikara.

NY RANO Omeo Rano ny Vahoaka, ilainy tokoa izany na amin'ny fampiasa ao antokatrano, na amin'ny fanondrahana ny voly ary...
21/06/2018

NY RANO
Omeo Rano ny Vahoaka, ilainy tokoa izany na amin'ny fampiasa ao antokatrano, na amin'ny fanondrahana ny voly ary ny fisotro ho an'ireo biby fiompy.
Rehefa nametraka ireo fotodrafitr'asa (toha-drano, paompin-drano isan-karazany) ireo ny tetik'asa Zoloke Asara (AVSF sy FAFAFI) dia namindra ny fitantanana ho eo anivon'ny vahoaka sy ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny.
Ny tetik'asa kosa dia mirary soa ho an'ireo vahoaka rehetra manerana ny Madagasikara.

Notanteraina omaly 19 jona 2018 ny atrik’asa famarana ny tetik’asa ZOLOKE-ASARA, izay notanterahin’ny AVSF sy FAFAFI Man...
20/06/2018

Notanteraina omaly 19 jona 2018 ny atrik’asa famarana ny tetik’asa ZOLOKE-ASARA, izay notanterahin’ny AVSF sy FAFAFI Manatantely.
Nisy ny atrik’asa izay natao handinihana sy hametrahana ireo rafitra eny ifotony hanohy ireo zava-bita navelan’ny Zoloke-Asara.
Teo koa ny fanehoana ny zavabitan’ny tetik’asa nandritra ny fotoana niasany teto Amboasary Atsimo.
Nisy ihany koa ny fijoroana vavolobelona sy ffampizarana izay nataon’ireo Tantsaha nahazo tombontsoa mivaingana vokatr’ireo asa fanatsara amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana .
Eto dia maneho fisaorana antsika rehetra izay niara niezaka sy nahatontosa ny asa rehetra.
Misaotra antsika rehetra.

Zava-dehibe ho an’ny vahoaka eto Amboasary_atsimo ny Rano. Zava-dehibe ho an’ny AVSF Madagascar ny manatanteraka asa mif...
14/04/2018

Zava-dehibe ho an’ny vahoaka eto Amboasary_atsimo ny Rano. Zava-dehibe ho an’ny AVSF Madagascar ny manatanteraka asa mifanandrify amin’ny zavatra ilain’ny vahoaka. Nanangana fotodrafitr’asa ny tetik’asa zoloke asara ahafahan’ireo vahoaka mahazo rano.
Mirary ny tontolo ambanivohitra hatrany mba handroso amin’ny asam-pambolena sy fiompiana rehetra izay ataony

Address

Amboasary Sud

Telephone

+261340371822

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Projet Zoloke-Asara Amboasary SUD posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Projet Zoloke-Asara Amboasary SUD:

Share