30/05/2025
Anao présentation kely isika androany🤗🥰
Izy no sakanay voalohany indrindra, « Max »no anarany🙂
Nitondra anecdote kely ho anay tompony ary nanamarika ny nahatongavany tao io anarana nampitondranay azy io.🤣
Izy moa saka mbola azo lazaina hoe kely no tonga tao aminay, tamin’izany zandrinay tena faran’izay nidongy saka dia tapa-kevitra fa hitady saka izahay.
Tonton anay moa nanana dia zana-tsaka azo tany izy, rehefa nanontaniana tonton anay hoe lahy sa vavy izy dia hoe « vavy », izahay raha teo vao sambany nitaiza saka ka tsy mahay ny lahy sy ny vavy. Dia raikitra ny fitadiavana anarana, samy niteny izay tiany fa nefa zandrinay ilay nitady azy nidrikina be hoe aaa « Max » no atao anarany dia raikitra ny ady hevitra hoe saka vavy anie io eh sns fa tena tsy nanaiky hatramin’ny farany izy.😂😂
Nandeha ny fotoana, nisy fotoana Max narary, dia noentina véto, tonga tany koa mbola nanontany ilay doktera hoe lahy izy sa vavy dia mbola hoe vavy… Taty aoriana tapa-kevitra fa hitadiavana namany dia hoe atao saka vavy ihany satria sao dia tsy voakarakara ny zanany raha miteraka izy🤦🏻♀️😆
Nahita saka vavy atao namany dia « Blue » no natao anarany, tsy nifankafoy mihitsy izy roa kely, vao tonga koa i Blue tamzany tonga dia tian’i Max be dia faly ery izahay😆🩷
Efa ho heritaona taty aoriana, nojerena namosavy i Blue kely dia gaga izahay (sady hoentiny tsy fahalalana no tena tsy nandinika tsara)😂 dia nifametra-panontaniana hoe fa nga tsy saka vavy izy roa ireo, teo vao Tonga saina hoe hay saka lahy i Max fa nisy double boule kely… 🤣Teo izahay vao niteny daholo hoe : « Ary hitako no tena lasa Max ny anarany kay efa hatramzany no tokony tonga saina hoe lahy izy »😂
Tsy aiko fa nanamarika anay famille any manokana ny fiadivana izay anarany zay😂😂
Izahay irery ve no efa tratra ohatranzany?😂