Ferme Terre de la Paix

Ferme Terre de la Paix Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ferme Terre de la Paix, Pet service, Ambonisoa Ilafy, Antananarivo.
(4)

đŸ•Šïž"La Terre de la Paix, un retour Ă  la nature, un engagement pour demain"

🔰Ferme engagĂ©e dans une agriculture durable
🔰 PassionnĂ© des animaux de compagnie
🔰Éleveur, amoureuse des "LABRADOR"

đŸ“Čmobile ou whtsp:032 96 395 26
facebook.com/TerredelaPaix

01/01/2026
24/12/2025

🎄 Tratry ny Noely ho anareo rehetra avy amin’ny Ferme Terre de la Paix đŸŒŸđŸ“đŸ‡
Enga anie ity Noely ity hitondra fiadanam-po, fifankatiavana, ary fanantenana vaovao ho anareo sy ny ankohonananareo.

Toy ny tany ambolena sy kolokoloina isan’andro, enga anie ny soa sy ny fitahiana ho betsaka eo amin’ny fiainanareo.

Misaotra anareo rehetra miara-mandeha aminay, manohana, ary mino ny fambolena madio sy manaja ny aina đŸŒ±

Noely feno hafanana, fitiavana, ary fahasambarana ho anareo rehetra ✹

— Ferme Terre de la Paix đŸ€

11/12/2025

✹Mirary tontolo andro mahafinaritra
Mazotoa mitady vola , aza adino ny mitia ✹
Ferme Terre de la Paix

08/12/2025

Ferme Terre de la Paix
🎯Ny tany lonaka dia ireo tany manana firafitra tsara sy manana betsaka ireo
singa ilain’ny zavamaniry. Ny fomba azo antoka hanatsarana ny fahalonan’ny tany amin’ny fomba maharitra dia ny fampiasana zezika organika.

đŸš«Ny zezika simika rehefa mampiasa azy dia mitondra ireo singa ilain’ny zavamaniry fa tsy afaka kosa manatsara ny firafitry ny tany. Efa hita amin’izao fotoana izao fa ny fitondrana azy dia mety miteraka vokadratsy maro eo amin’ny tany hambolena (mihamafy ny tany sy lasa tsy mahavokatra)đŸš«

✅Akora organika
Ny antony mahatonga ny firafitry ny nofontany hihatsara rehefa mitondra ny
zezika organika dia manatsara ny noho izy mitondra akora organika. Na dia kely aza amin’ny ankapobeny tahan’ny akora organika (1- 6 %) ao anaty tany dia lehibe ny anjara asa satria manatsara ny firafitry ny tany, mitahiry ny hamandoana, mamelona ireo bibikely sy holatra tsy hita maso ao anatin’ny nofontany.

✹ilaina ny fitondrana ny zezika organika isan-taona
mba hamerenana ireo singa nalain’ny voly izay efa niakatra.✹

❌Tena hoe efa vitsy kely sisa, fa vonjivonjeo❌Ferme Terre de la Paix đŸ“± 032 96 395 26 /034 82 552 46
08/12/2025

❌Tena hoe efa vitsy kely sisa, fa vonjivonjeo❌

Ferme Terre de la Paix
đŸ“± 032 96 395 26 /034 82 552 46

❌❌Iza ilay mitady GF ato ireo izy ireo❌❌Tena hoe efa vitsy kely sisa, fa vonjivonjeoFerme Terre de la PaixđŸ“± 032 96 395 2...
05/12/2025

❌❌Iza ilay mitady GF ato ireo izy ireo❌❌

Tena hoe efa vitsy kely sisa, fa vonjivonjeo

Ferme Terre de la Paix
đŸ“± 032 96 395 26 /034 82 552 46

03/12/2025

✅Efa vitsy sisa izy ato, ianao sisa no endrasana aka azy ireo !

-Geant de Flandre race pure
-Géant Papillon Français race pure
-Angora
-Fauve de Bourgogne

đŸ«ŽAfaka azo isafidiana tsara
2 mois miakatra daholo izy rehetra ireo

đŸ“± 032 96 395 26 /034 82 552 46
📍Ilafy Andranovelona

Ferme Terre de la Paix

Call now to connect with business.

03/12/2025

Ferme Terre de la Paix sy ny fiompiana SOHERINDALITRA.
Atao inona ny SOHERINDALITRA ?

Ny soherindalitra dia fanampi-tsakafo ho an'ny AKOHO
-otrikaina manampy amin'ny fitomboan'ny nofo
-hampitombo sy hanamafy ny taolana sy ny famokarana ATODY

Inona avy koa mety fanampintsakafo ho an'ny AKOHO fantatrao ?

Ferme Terre de la Paix đŸ”„ Fantatrao ve fa ny BITRO VAVENTY dia mitombo HAINGANA kokoa ary manome hena MALEFAKA no MATSIRO...
11/11/2025

Ferme Terre de la Paix

đŸ”„ Fantatrao ve fa ny BITRO VAVENTY dia mitombo HAINGANA kokoa ary manome hena MALEFAKA no MATSIRO be ? 😍

Tsy kisendrasendra izany
 fa vokatry ny fikarakarana sy fifantenana manokana natao nandritra ny taona maro 👇

1. 🧬 (sĂ©lection gĂ©nĂ©tique)
– Ny bitro karazany dia novolavolaina nandritra ny taona maro mba hananana toetra manokana: fitomboana haingana, fanoherana tsara ary kalitaon’ny hena tsara.

2. 🍀 Sakafo voalanjalanja
– Matetika dia omena sakafo manankarena amin’ny proteinina sy fibre manampy amin’ny fitomboan’ny hozatra, fa tsy tavy be loatra.

3. 🏡 Fikarakarana sy tontolo madio
– Ny bitro karazany dia tazonina amin’ny tontolo madio sy mahazo aina, izay mampihena ny adin-tsaina (stress) — antony manimba ny kalitaon’ny hena.

✅mbola betsaka ny zavatra tsy fantatrao momba azy ireo ! 🐰💚
Ho jerena manaraka ny maha samihafa ny bitro fihinana sy ny bitro natao haingotanana fotsiny...

🐇 Adoptez votre premier lapin de race pure à la Ferme Terre de la Paix !Nos petits lapereaux attendent une famille atten...
28/10/2025

🐇 Adoptez votre premier lapin de race pure à la Ferme Terre de la Paix !
Nos petits lapereaux attendent une famille attentionnĂ©e ❀
Que vous soyez Ă©leveur, passionnĂ© d’animaux ou dĂ©butant curieux, ils sauront vite devenir vos meilleurs compagnons !
Chaque lapereau est unique — Ă  vous de lui donner un nom et de partager une belle histoire ensemble đŸ«¶

📍 Ferme Terre de la Paix – Ilafy Andranovelona
📞 RĂ©servation : +261 32 96 395 26 / +261 34 82 552 46


🐰 Venez les rencontrer, ils n’attendent plus que vous !

fans

26/10/2025

Ferme Terre de la Paix
🐰 Fantatrao ve fa afaka manampy ny olombelona ho salama ny bitro ?
Eny, marina izany ! Ny bitro dia afaka manampy ny olona mba hahatsapa ho tony sy sambatra kokoa. Izay no antsoina hoe fitsaboana amin’ny biby na “zoothĂ©rapie”. Midika izany fa ny fiarahana amin’ny biby, toy ny bitro, dia mety hahasitrana ny olona amin’ny lafiny saina sy fihetseham-po.

đŸ§˜â€â™€ïž Inona no soa azo avy amin’ny fiarahana amin’ny bitro...

Afaka mividy na manao rĂ©servation arakaraka izay tianao — bitro race, bitro kely, na ho biby fiompy fotsiny ary aloha â˜ș♄

📍 Toerana : Ilafy Andranovelona
📞 RĂ©servation : 032 96 395 26 / 034 82 552 46

🐇 Ferme Terre de la Paix — Fiadanana sy Fitiavana amin’ny natiora.

22/10/2025

💧 Nahoana no ilain’ny bitro ny rano ?

Manampy amin’ny fandevonan-kanina sy ny fivezivezen’ny sakafo ao an-kibo.

Manampy amin’ny fikoriana tsara ny rà sy ny fanesorana loto amin’ny vatana.

Manampy amin’ny fifehezana hafanana ao amin’ny vatany, satria tsy mitsembo toy ny olombelona ny bitro.

Raha tsy ampy rano dia mety ho tonga amin’ny fahasemporana ny kibo na tsy hivoaka ny diky, izay tena mampidi-doza.

📏 Habetsahan-drano ilainy isan’andro

Bitro iray lehibe (olondehibe) dia mila eo anelanelan’ny 50 ka hatramin’ny 150 ml isan’andro isaky ny kilao amin’ny lanjany.
âžĄïž Ohatra : bitro 2 kg = mila 100 ka hatramin’ny 300 ml isan’andro.

Raha mafana ny andro, na sakafo maina (voamadinika, ahitra maina) no haniny, dia misotro rano betsaka kokoa.

Raha mampinono na marary ny bitro dia mitombo avo roa heny ny filĂ ny rano.

đŸȘŁ Torohevitra amin’ny famatsiana rano :

Omeo rano madio sy mangatsiatsiaka foana, tsy tokony ho tapaka.

Azonao apetraka amin’ny sinibe kely na koa biberon natokana ho an’ny bitro.

Soloina isan’andro ny rano mba tsy handoto sy hisorohana aretina.


Ferme Terre de la Paix

Address

Ambonisoa Ilafy
Antananarivo
103

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 07:00 - 12:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ferme Terre de la Paix posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share