Véto Câlin

Véto Câlin Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Véto Câlin, Veterinarian, Antananarivo.

Nous offrons des consultations, soins, vaccinations, chirurgies et plus encore pour vos animaux de compagnie, à domicile ou directement à notre cabinet.

📱 034 88 977 67
📱 034 55 342 20

🦟🌍 20 AOGOSITRA — ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY MOKAFa maninona no misy Andro Maneran-Tany ho an’ny Moka? 🤔Isaky ny 20 Aog...
20/08/2026

🦟🌍 20 AOGOSITRA — ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY MOKA

Fa maninona no misy Andro Maneran-Tany ho an’ny Moka? 🤔

Isaky ny 20 Aogositra, dia ankalazaina maneran-tany ity andro ity ho fahatsiarovana an’i Ronald Ross, dokotera sy mpikaroka britanika.

📅 Tamin’ny 20 Aogositra 1897, dia hitany fa ny moka vavy no mampita ny tazomoka (paludisme) amin’ny olombelona.

🦟💡 Hatramin’izay, ity andro ity dia fotoana iray hahatsiarovana ny zava-bitany sy indrindra hampahafantarana ny olona momba ireo aretina mety hampitain’ny moka.

🐾 Ny moka dia mety hampidi-doza ho an’ny olombelona, ary mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny biby ihany koa ny katsentsitra sasany ampitainy.

🛡️ Ny fisorohana no tsara indrindra!
Arovy ny tenanao sy ny biby fiompinao amin’ny aretina mety hampitain’ny moka. Esory ny rano miandrona manodidina ny trano, tazomy ho madio ny toerana iainan’ny biby ary manatòna mpitsabo biby raha misy soritr’aretina mampiahiahy. 🐶🐱💙

🦟 Satria ny fisorohana androany dia fiarovana ho an’ny ampitso!

🐈‍⬛ Omaly no nankalazaina ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny saka mainty! 🖤✨❓ Mitondra vintan-dratsy ve ny saka mainty?❌...
18/08/2026

🐈‍⬛ Omaly no nankalazaina ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny saka mainty! 🖤✨

❓ Mitondra vintan-dratsy ve ny saka mainty?

❌ Tsia, finoanoam-poana fotsiny izany!

Na dia omaly aza no andro natokana ho azy ireo, androany dia fotoana tsara ihany koa hampahatsiahivana antsika fa tsy mitondra vintan-dratsy ny saka mainty. 🐈‍⬛❤️

Io andro io dia natao hiadiana amin’ireo finoanoam-poana sy hevi-diso momba ny saka mainty, ary hanomezana lanja sy fahitana bebe kokoa azy ireo. 🐾

❤️ Mendrika fitiavana, fikarakarana ary fiarovana mitovy amin’ny saka rehetra izy ireo.

👉Manana saka mainty ve ianao? Mba asehoy anay ao amin'ny "commentaire" ny sariny ho porofo fa tena tianao tokoa izy! ❤️🐾

Salama daholo👋Tadidinareo ve i Ralem? Ilay alika vavy hendry be iny? 🐾Tonga nandalo teto amin'ny "cabinet véto câlin" in...
17/08/2026

Salama daholo👋

Tadidinareo ve i Ralem? Ilay alika vavy hendry be iny?

🐾Tonga nandalo teto amin'ny "cabinet véto câlin" indray izy sy ny mamany nividy collier hoan'i Ralem😍
Eto izahay dia tsy mitsahatra ny Misaotra amin'ny fahatokisana hasehonareo anay🥰

🙏 Misaotra indrindra anareo rehetra izay efa nokarakarain'ny "Véto Câlin" noho ny fitokisanareo anay hikarakara ireo biby malalanareo. 🐶🐱❤️

🐾 Mbola tsy tonga aty aminay ve ianao? Aza misalasala manatona ny "Véto Câlin", fa eto izahay vonona hikarakara ny fahasalaman’ny biby fiompinareo. 🩺💙

Véto Câlin, fikarakarana am-pitiavana ho an’ny biby. 🐾

🐷🧠 FANTATRAO VE ?Anisan’ireo biby fiompy tena marani-tsaina ny kisoa! 😮Mety hitovy amin’ny fahaizan’ny alika aza ny faha...
13/08/2026

🐷🧠 FANTATRAO VE ?

Anisan’ireo biby fiompy tena marani-tsaina ny kisoa! 😮
Mety hitovy amin’ny fahaizan’ny alika aza ny faharanitan-tsainy. 🐶

💡 Hita tamin’ny fikarohana fa afaka mianatra haingana sy mamaha olana sasany ny kisoa.

Misy kisoa aza afaka nianatra nanindry bokotra iray tamin’ny orony mba hahazoana sakafo kely ho valisoa! 😲🐷

❤️ Biby tia mifandray amin’ny hafa sy be fitiavana koa ny kisoa. Afaka mianatra mamaly ny anarany izy ary mahafantatra ireo olona mikarakara azy.

👉 Ary ianao, efa fantatrao ve fa tena marani-tsaina ihany koa ny kisoa? 😄🐷

🐱👋 Izy indray no  "Grity" saka vavy nanateran'ny "équipe véto câlin" ody kakana (vermifuge) sy ody parasy (anti-puce) ta...
11/08/2026

🐱👋 Izy indray no "Grity" saka vavy nanateran'ny "équipe véto câlin" ody kakana (vermifuge) sy ody parasy (anti-puce) tany antranony 🥰.

🐾 Nahoana no ilaina ireo fanafody ireo?

💊 Vermifuge : manampy manala ireo kankana sy katsentsitra ao anaty vatana, izay mety hiteraka olana amin’ny fandevonan-kanina, fahaverezan-danja ary fahalemena.

🦟 Anti-puce : manampy miaro ny saka amin’ny parasy, izay mety hiteraka mangidihidy, fahasosorana amin’ny hoditra ary mety hampita katsentsitra hafa.

❤️ Ny fisorohana mialoha dia fomba iray lehibe hikarakarana sy hiarovana ny fahasalaman’ny biby fiompintsika.

🐱✨ Tahaka an’i Grity, arovy tsy tapaka ny biby fiompinao!

📩 Raha mila torohevitra momba ny fikarakarana sy fiarovana ny biby fiompinao ianao, aza misalasala manatona an’i "Véto Câlin" ety Amboditsiry na miantso ny laharana 0348897767

🐾 Fantatrao ve? Tena ilaina amin'ny saka ny volombava!Tsy volo tsotra fotsiny ny volombavan'ny saka, fa manampy azy: 🐱 H...
07/08/2026

🐾 Fantatrao ve? Tena ilaina amin'ny saka ny volombava!

Tsy volo tsotra fotsiny ny volombavan'ny saka, fa manampy azy:
🐱 Hahita sy hifindra mora na dia maizina aza.
📏 Hahafantatra raha afaka idirana ny toerana iray.
⚠️ Hahatsikaritra zavatra sy fihetsika manodidina azy.

Noho izany dia:
🚫 Aza tapahina mihitsy ny volombavan'ny saka, satria mety hampikorontana ny fandehany sy hampitombo ny fahasahiranany izany.

👉 Raha hitanao fa mihintsana be na misy fiovana tsy mahazatra ny volombavany, dia tsara ny manatona mpitsabo biby.

📍 Vonona mandrakariva ny ekipan'ny "Véto Câlin" hikarakara sy hiaro ny fahasalaman'ny biby fiompinao.

04/08/2026

Salama daholo👋

Anio dia entinay eny amin'ny "cabinet Véto câlin" ianareo, hijery ny fikarakarana natao tamin'ity alika hendry be ity🥰. Antsoina hoe: Ralem.

👉 Raha misy mampiahiahy na koa hoe tianareo ho jerena fotsiny ny fahasalaman'ny biby fiompinareo dia aza misalasala manatona anay ety Amboditsiry na ihany koa miantso avy hatrany ny laharana 034 88 977 67.

💙💛 Ny fahasalaman'ny biby fiompinareo no laharam-pahamehanay.

🦷🐾 Fantatrao ve?🤔 Iza no manana nify betsaka kokoa: ny alika sa ny saka?🐶 Ny alika lehibe dia manana nify 42, 🐱 fa ny sa...
31/07/2026

🦷🐾 Fantatrao ve?

🤔 Iza no manana nify betsaka kokoa: ny alika sa ny saka?

🐶 Ny alika lehibe dia manana nify 42, 🐱 fa ny saka lehibe kosa manana nify 30!

📌 Ho an'ny alika (42 nify):
🦷 Nify eo anoloana (incisives): 12
🦷 Nify lava (canines): 4
🦷 Nify mpandrava sakafo (prémolaires): 16
🦷 Nify fitotoana (molaires): 10

📌 Ho an'ny saka (30 nify):
🦷 Nify eo anoloana (incisives): 12
🦷 Nify lava (canines): 4
🦷 Nify mpandrava sakafo (prémolaires): 10
🦷 Nify fitotoana (molaires): 4

💡 Samy manana ny anjara asany ireo nify ireo: misambotra, mandrovitra, mitsako ary manapotika ny sakafo.

🐾🦷 Ny fahasalaman'ny nify dia anisan'ny fahasalaman'ny biby fiompinao. Raha mahatsikaritra fofona ratsy na olana amin'ny nifin'ilay biby ianao, dia aza misalasala manatona ny "Véto Câlin" mba hanaovana fitiliana sy hahazoana torohevitra avy amin'ny mpitsabo biby.

📞 0348897767

⚠️ FAMPITANDREMANA – AZA OMENA TAOLAN-TRONDRO NY SAKA NA NY ALIKANAREO! ⚠️ 👉Vao aingana izahay no nandefa "publication" ...
29/07/2026

⚠️ FAMPITANDREMANA – AZA OMENA TAOLAN-TRONDRO NY SAKA NA NY ALIKANAREO! ⚠️

👉Vao aingana izahay no nandefa "publication" teto fa tsy mety amin'ny saka ny taolan-trondro. Ito indray anefa dia nisy saka nihinana taolana.

📸 Tena tranga nisy tokoa ity hita amin'ny sary ity. Ity saka ity dia nihinana trondro miaraka amin'ny taolany ka voatery hodidiana maika satria nisy taolan-trondro tafahitsoka tao amin'ny tendany.

❌ Na dia maro aza no mbola mihevitra fa mahazaka taolana ny saka, dia fantaro ary fa tena mampidi-doza izany.

🚫 Taolana tsy tokony omena ny saka sy ny alika :
🐟 Taolan-trondro 🍗 Taolan'akoho , ny taolana rehetra efa masaka, satria mora vaky sy maranitra.

⚠️ Mety hiteraka :
• Fahasemporana
• Taolana mihitsoka ao am-bava na ao an-tenda
• Ratra ao amin'ny lalan-kanina
• Fandrovitana ny vavony na ny tsinay • Aretina mafy vokatry ny loto
• Fandidiana maika
• Fahafatesana

💛💙 Ny fomba tsara indrindra hiarovana ny biby fiompinao dia ny tsy fanomezana taolana mihitsy.

📞 Raha toa ka nitelina taolana ny saka na ny alikanao ka tsy mety mihinana, mandoa, mibontsina rora be, na hita fa marary, ento haingana any amin'ny mpitsabo biby.

🐾 "Véto Câlin" : Laharam-pahamehanay ny fahasalaman'ny biby fiompinareo.

🐶💉 Nandalo nanao vaksiny teto amin'ny "Véto Câlin" i Willo alika vavy mafatifaty kely sady hendry be! 🩺💙Ny fanaovana vak...
27/07/2026

🐶💉 Nandalo nanao vaksiny teto amin'ny "Véto Câlin" i Willo alika vavy mafatifaty kely sady hendry be! 🩺💙

Ny fanaovana vaksiny dia iray amin'ireo fomba tsara indrindra hiarovana ny alikanao.
✅ Miaro amin'ny aretina lehibe sy mety hahafaty.
✅ Manamafy ny hery fiarovan'ny vatana.
✅ Manampy hisorohana ny fiparitahan'ny aretina amin'ny biby hafa.
✅ Manampy ny alika hiaina salama sy ho ela velona.

💙 Misaotra an'i Willo sy ny tompony noho ny fitokisana an'i Véto Câlin.

📍 Véto Câlin : Miaro ny fahasalaman'ny biby fiompinao isan'andro.

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Véto Câlin posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category