ร‰levage Chien de Garde & Compagnie

ร‰levage Chien de Garde & Compagnie ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ EC-G&C_MADA ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ
Une collaboration dโ€™รฉleveurs, maรฎtre chien, passionnรฉs, unis pour vous proposer des chiots en bonne santรฉ, รฉlevรฉs avec soin!

Rejoignez notre page pour des conseils pratiques, divers services canins...
๐Ÿ“Siรจge: Ankadikely Ilafy _โ˜Ž โฌ‡๏ธ

๐Ÿถ HERISETRA / FAHATEZERANA NA HASIKANA eo amin'ny Alika (Agressivitรฉ)Maro ny olona mihevitra hoe tokony masika fona ny c...
30/08/2026

๐Ÿถ HERISETRA / FAHATEZERANA NA HASIKANA eo amin'ny Alika (Agressivitรฉ)

Maro ny olona mihevitra hoe tokony masika fona ny chien de garde, maro no miantso anay hoe mitady alika masika, sns...

โ— Fa ny marina dia izao :
๐Ÿ‘‰ Tsy misy alika teraka masika
๐Ÿ‘‰ Fa misy antony mahatonga an'izany

๐Ÿง  Ireo mety antony mahatonga ny alika ho mahery setra:
1๏ธโƒฃ Tahotra (peur) ๐Ÿ˜จ
โžก๏ธ Rehefa matahotra izy dia miaro tena.
2๏ธโƒฃ Tsy fanabeazana ๐Ÿ“š
โžก๏ธ Tsy nampianarina fitsipi-piainana sy fifehezana.
3๏ธโƒฃ Fanaintainana na aretina, mety ho sosotra,... (frustration) ๐Ÿค•
โžก๏ธ Raha marary izy dia mety ho mora tezitra.
4๏ธโƒฃ Tsy fahampianโ€™ny socialisation ๐Ÿพ
โžก๏ธ Tsy zatra olona sy alika hafa.
5๏ธโƒฃ Fitondran-tena avy aminโ€™ny tompony, mety ho miaro ny tompony na ny faritra misy azy (instinct de protection) ๐Ÿ‘ค
โžก๏ธ Raha tezitra foana ny tompony, mety mianatra izany ny alika (efa nianarantsika farany teo ny mahakasika ny รฉmotions, izay tena misy idirany be amin'ny fomba fitezana alika sy fampianarana)
๐Ÿ‘‰ Maro no mety hantony fa ireo izy amin'ny ankapobehiny (izay fona hantony tsara hamatarana ny lasan'ilay alika mialohan'ny hamahana olana amin'ny agressivitรฉ)

โœ… Vahaolana :
๐Ÿพ Fanazarana tsikelikely
๐Ÿ‘‰ ampianarina miadana aminโ€™ny toe-javatra mampatahotra azy (dรฉsensibilisation progressive)
โค๏ธ Fanabeazana aminโ€™ny valisoa
๐Ÿ‘‰ omena rรฉcompense rehefa manao tsara (renforcement positif)
โœ”๏ธ Ampiofanina tsikelikely
โœ”๏ธ Aza kapohina na omena tahotra
โœ”๏ธ Omeo fitsipi-piainana mazava
โœ”๏ธ Raha mafy loatra, manatona รฉducateur canin na comportementaliste

๐Ÿ’ก Fehiny :
๐Ÿ‘‰ Ny alika mahery setra dia tsy ratsy, fa mila fanabeazana sy fahatakarana.
Ny alika tsy tokony hasika fahatany fa misy hantony ao, raha misy hanampina dia mba alefaso ao amin'ny commentaire ๐Ÿ‘‡, mifampizara sy mifampianatra tsika eto ๐Ÿ™
โœ… Aza nรฉglige-na re tompoko ny socialisation rehefa vao manomboka mitaiza alika ianao fa ireo hakamaron'ny olana ny mpiompy alika miresaka aminay sy ampianarinay dia ny tsy fahampin'izany fony fahakeliny ๐Ÿ‘Œ

๐Ÿ• Ny tena fitarihana marina aminโ€™ny alika : Tsy mila tompony manjakazaka ny alika, fa mila mpitarika azony itokisanaBets...
30/08/2026

๐Ÿ• Ny tena fitarihana marina aminโ€™ny alika : Tsy mila tompony manjakazaka ny alika, fa mila mpitarika azony itokisana

Betsaka ny olona mieritreritra fa ny tompony tsara dia ilay mahay mampiseho hery sy manery ny alikany mba hanaja azyโ€ฆ
Saingy ny alika voalanjalanja dia tsy manaraka fotsiny izay mahery na masiaka indrindra.
Manaraka ilay olona azo itokisana indrindra izy. ๐Ÿง ๐Ÿพ

Ny tena mpitarika tsara ho anโ€™ny alika dia olona mahay :
โœ… Mametraka fitsipika mazava sy tsy miovaova
โœ… Mitazona fahatoniana rehefa misy olana
โœ… Mifandray aminโ€™ny alika aminโ€™ny fomba mazava sy marina
โœ… Mahatakatra ny filร nโ€™ny alika ara-batana sy ara-pihetseham-po
โœ… Manome valisoa rehefa manao fihetsika tsara ny alika
โœ… Miaro sy mitarika ny alikany aminโ€™ny fiainana andavanandro

Ny tena fahefana eo aminโ€™ny alika dia tsy avy aminโ€™ny tahotra.
Fa avy aminโ€™ny :
โžก๏ธ Fitokisana
โžก๏ธ Fifandraisana mazava
โžก๏ธ Faharetana sy fahamatorana
โžก๏ธ Fahatakarana ny alika
Ny alika manaja sy matoky ny tompony dia ho mora kokoa ny hanana fitondran-tena milamina noho ny alika mankatรฒ noho ny tahotra fotsiny.

๐Ÿง  Ireo toetra 5 anananโ€™ny tena mpitarika tsara ho anโ€™ny alikany :
1๏ธโƒฃ Fahamatorana sy faharetana aminโ€™ny fitsipika
Ny alika dia mianatra aminโ€™ny alalanโ€™ny fahazarana sy ny fitsipika mazava.
Raha tsy azo atao androany ny zavatra iray, dia tsy tokony avela hatao rahampitso.
Ny fahamarinan-toerana no manampy ny alika hahatakatra izay andrasantsika aminy.

2๏ธโƒฃ Fifehezana ny fihetseham-po
Mandinika antsika foana ny alika.
Ny tompony tony sy mahafehy tena dia manampy ny alika hifehy ny fihetseham-pony ihany koa. Ny hatezerana sy ny fikoropahana matetika dia tsy mampianatra alika ho voalanjalanja.

3๏ธโƒฃ Fifandraisana mazava
Tsy mahazo tsara ny teny lava be ataontsika ny alika.
Fa mahazo tsara kokoa izy aminโ€™ny :
๐Ÿพ Fomba fijerintsika sy fihetsiky ny vatantsika
๐Ÿพ Feontsika
๐Ÿพ Fahazarantsika isanโ€™andro
๐Ÿพ Valisoa omena rehefa manao tsara izy

4๏ธโƒฃ Fahalalana momba ny alika
Ny tompony mahay dia mahafantatra :
๐Ÿ• Ny filร nโ€™ny alika hanao fanatanjahan-tena
๐Ÿ• Ny filร na ara-tsosialy sy fifandraisana aminโ€™ny hafa
๐Ÿ• Ireo famantarana rehefa mitebiteby na tsy mahazo aina izy
๐Ÿ• Ny dingana tokony harahina aminโ€™ny fanabeazana sy fampiofanana

5๏ธโƒฃ Fitokisana ifampizarana
Ny fifandraisana tsara eo aminโ€™ny olona sy ny alika dia tsy tokony hiorina aminโ€™ny tahotra.
Fa miorina aminโ€™ny :
โค๏ธ Fanajana
โค๏ธ Fahatakarana
โค๏ธ Fiaraha-miasa
Ny alika tsara fitondran-tena dia tsy vokatry ny fanjakazakanaโ€ฆ
Fa vokatry ny olona mahay mitarika azy aminโ€™ny fahendrena sy fahatakarana. ๐Ÿ•โค๏ธ
Ny fanabeazana alika tena mahomby dia tsy mikendry ny handresy ny alikaโ€ฆ
Fa mikendry ny hanangana alika voalanjalanja sy tompony mahay mitarika.

๐Ÿ‘‡ Araka ny hevitrao, inona no toetra tena ilaina indrindra aminโ€™ny tomponโ€™alika tsara?
Soraty ao aminโ€™ny commentaire ny hevitrao ๐Ÿ‘‡๐Ÿพ
Aza adino ny mizara aminโ€™ireo tia alika hafa mba hampielezana fahalalana marina momba ny fanabeazana alika.

๐Ÿ•โ€๐Ÿฆบ NY DOBERMANN, UN CHIEN Dโ€™INTELLIGENCE ET DE LOYAUTร‰ EXCEPTIONNELLES ๐Ÿ–คMatetika ny Dobermann no iharanโ€™ny fitsarana di...
29/08/2026

๐Ÿ•โ€๐Ÿฆบ NY DOBERMANN, UN CHIEN Dโ€™INTELLIGENCE ET DE LOYAUTร‰ EXCEPTIONNELLES ๐Ÿ–ค

Matetika ny Dobermann no iharanโ€™ny fitsarana diso noho ny endriny matanjaka sy manaitra. Kanefa, rehefa avy aminโ€™ny fiompiana voafantina tsara izy ary omena fanabeazana mifanaraka aminโ€™ny toetrany, dia alika manana fifandanjana ara-tsaina miavaka izy ๐Ÿพ

โค๏ธ Alika tena mifandray aminโ€™ny fianakaviany

Ny Dobermann dia mamorona fifandraisana lalina aminโ€™ny tompony. Alika tia olona izy, tia mandray anjara aminโ€™ny fiainam-pianakaviana ary mitady fifandraisana akaiky sy fifampitokisana aminโ€™ireo olona tiany.

๐Ÿง  Faharanitan-tsaina sy fahaizana mianatra ambony

Alika mpiasa tena mahay izy, manana fahafahana mianatra haingana ary mora ampianarina rehefa ampiasaina ny fomba fanabeazana marina. Mila fanentanana ara-tsaina, fanazaran-tena ary fanamby (activitรฉ de dรฉfi) izy mba hanehoany tanteraka ny fahaizany sy ny talentany.

๐ŸŽญ Alika saro-pady ara-pihetseham-po

Na dia heverinโ€™ny olona sasany ho alika "mafy" aza izy noho ny endriny, dia tena saro-pady ny Dobermann. Mifandray tsara kokoa aminโ€™ny fanabeazana mifototra aminโ€™ny fahatokisana, fahamatorana ary fanajana izy, fa tsy aminโ€™ny herisetra na fanerena tafahoatra.

๐Ÿ›ก๏ธ Mpiaro voajanahary fa tsy alika masiaka tsy misy antony

Ny fahamailoany sy ny herim-pony no mahatonga azy ho alika mpiaro tena tsara.
Tsy ny herisetra no mampiavaka azy, fa ny fahatokiany, ny firaiketam-pony aminโ€™ny tompony ary ny finiavany hiaro ireo olona akaiky azy โค๏ธ

๐Ÿ“Œ Torohevitra ho anao raha maniry itaiza azy ianao, jereo ny commentaire ๐Ÿ‘‡
Mbola manana dispo izahay, ao amin'ny commentaire ny vidรฉo ๐Ÿ˜‰

๐Ÿ’ฌ Ary ianao, inona no toetra tena ankafizinao indrindra aminโ€™ny Dobermann ?
Soraty ao aminโ€™ny commentaire ny hevitrao ary zarao aminโ€™ireo tia alika hafa ity lahatsoratra ity ๐Ÿ‘‡

๐——๐—ถ๐—ฎ ๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐—น๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ธ๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐˜๐—ผ๐—บ๐—ฝ๐—ผ๐—ธ๐—ผ ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—บ๐—ฒ ๐—ณ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—ผ๐—ธ๐—ถ๐˜€๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐˜† ๐ŸฅฐIzay no mamarana ny ezaka famatsina   t@ ity taona 2026...
28/08/2026

๐——๐—ถ๐—ฎ ๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐—น๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ธ๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐˜๐—ผ๐—บ๐—ฝ๐—ผ๐—ธ๐—ผ ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—บ๐—ฒ ๐—ณ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—ผ๐—ธ๐—ถ๐˜€๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐˜† ๐Ÿฅฐ
Izay no mamarana ny ezaka famatsina t@ ity taona 2026 ity ๐Ÿ˜‰ ho an'ireo rehetra nitady dia tampitra hatreto ny fa ny mbola misy dispo ๐Ÿ‘Œ (alefako ao amin'ny commentaire ๐Ÿ‘‡)

Amin'ny taona 2027 indray isika mihona hoan'ireo izay mitady kalitao sy azo antoka hatrany ๐Ÿค— (efa aiko zao fa lany io vao maro indray ianareo no intรฉressรฉ ๐Ÿ˜…)

Izahay dia mihezaka hatrany manome ny tsara indrindra ho anareo , efa miketrika zavabaovao ho anareo izahay, gรฉnรฉtique tena tsara be, hoentina hanatsarana hiany koa ny tontolon'ny BBM fa aza miala lavitra, araho tsy tapaka ny PEJY ๐Ÿ‘†

ร‰levage Chien de Garde & Compagnie (Complice Canin)
MC Katino (Shadow Kennel)

๐Œ๐ข๐ฌ๐š๐จ๐ญ๐ซ๐š ๐ข๐ง๐๐ซ๐ข๐ง๐๐ซ๐š ๐ญ๐š๐ฆ๐ข๐ง'๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ก๐š๐ญ๐จ๐ค๐ข๐ฌ๐š๐ง๐š ๐ง๐จ๐ฆ๐ž๐ง๐š๐ซ๐ž๐จ ๐š๐ง๐š๐ฒ ๐ฉ๐š๐ญ๐ซ๐จ๐ง ๐Ÿ™๐ŸพFaly izahay fa nisafidy anay ianareo ary nametraka ny f...
27/08/2026

๐Œ๐ข๐ฌ๐š๐จ๐ญ๐ซ๐š ๐ข๐ง๐๐ซ๐ข๐ง๐๐ซ๐š ๐ญ๐š๐ฆ๐ข๐ง'๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ก๐š๐ญ๐จ๐ค๐ข๐ฌ๐š๐ง๐š ๐ง๐จ๐ฆ๐ž๐ง๐š๐ซ๐ž๐จ ๐š๐ง๐š๐ฒ ๐ฉ๐š๐ญ๐ซ๐จ๐ง ๐Ÿ™๐Ÿพ

Faly izahay fa nisafidy anay ianareo ary nametraka ny fitokisanareo tamin'ny alalan'ny famandrihana (rรฉservation) ity zanak'alika ity๐Ÿ‘Œ Anio dia tonga ny fotoana hiarahany aminareo sy hanombohany ny fiainany vaovao ao amin'ny fianakavianareo โค๏ธ
Ho anay, tsy fivarotana fotsiny ny fanomezana alika, fa andraikitra lehibe ny mahita fianakaviana tia sy vonona hikarakara azy ireo mandritra ny androm-piainany ๐Ÿฅฐ
Mirary soa ho anareo, ary manantena izahay fa hitondra fahasambarana, fitiavana ary fifaliana betsaka ao an-tokantranonareo izy ๐Ÿถโœจ

Mankasitraka indrindra ny fahatokisana sy ny fanohananareo ary ny fiaramiasa tompoko ๐Ÿ™ dia mbola manatena ny hitohizan'ny fiaramiasa antsika satria dia tena nahazo ianareo amin'io ร‰talon tsara dia tsara io (zanaka champion, meilleur mรขle MDS 2026 ๐Ÿ˜‰)
๐‘ฌฬ๐’๐’†๐’—๐’‚๐’ˆ๐’† ๐‘ช๐’‰๐’Š๐’†๐’ ๐’…๐’† ๐‘ฎ๐’‚๐’“๐’…๐’† & ๐‘ช๐’๐’Ž๐’‘๐’‚๐’ˆ๐’๐’Š๐’† sy ny ๐‘บ๐’‰๐’‚๐’…๐’๐’˜ ๐‘ฒ๐’†๐’๐’๐’†๐’ no manolotra anareo izany chiot de qualitรฉ izany ary miandraikitra ny accompagnement anareo amin'ny hoaviny ๐Ÿค—

๐™๐™จ๐™ฎ ๐™ข๐™ž๐™ซ๐™–๐™ง๐™ค๐™ฉ๐™ง๐™– ๐™–๐™ก๐™ž๐™ ๐™– ๐™›๐™ค๐™ฉ๐™จ๐™ž๐™ฃ๐™ฎ ๐™ž๐™ฏ๐™–๐™๐™–๐™ฎ, ๐™›๐™– ๐™ข๐™–๐™ฃ๐™–๐™ข๐™ฅ๐™ฎ ๐™ข๐™–๐™ข๐™ค๐™ง๐™ค๐™ฃ๐™– ๐™›๐™ž๐™›๐™–๐™ฃ๐™™๐™ง๐™–๐™ž๐™จ๐™–๐™ฃ๐™– ๐™ข๐™–๐™๐™–๐™ง๐™ž๐™ฉ๐™ง๐™– ๐™š๐™ค ๐™–๐™ข๐™ž๐™ฃ'๐™ฃ๐™ฎ ๐™–๐™ก๐™ž๐™ ๐™– ๐™จ๐™ฎ ๐™ฃ๐™ฎ ๐™ฉ๐™ค๐™ข๐™ฅ๐™ค๐™ฃ๐™ฎ ๐Ÿพ Mankasitraka indrindra tompoko nisafidy anay ๐Ÿค mahavanona be ary mirary soa hatrany ๐Ÿ™

๐Ÿ• ๐๐˜ ๐“๐„๐๐€ ๐‹๐„๐€๐ƒ๐„๐‘๐’๐‡๐ˆ๐ ๐€๐Œ๐ˆ๐'๐๐˜ ๐€๐‹๐ˆ๐Š๐€ ๐Ÿ˜‰Mila mpitari-dalana azo itokisana ny alika ary voalanjalanjaNy alika dia tsy mila ol...
26/08/2026

๐Ÿ• ๐๐˜ ๐“๐„๐๐€ ๐‹๐„๐€๐ƒ๐„๐‘๐’๐‡๐ˆ๐ ๐€๐Œ๐ˆ๐'๐๐˜ ๐€๐‹๐ˆ๐Š๐€ ๐Ÿ˜‰

Mila mpitari-dalana azo itokisana ny alika ary voalanjalanja
Ny alika dia tsy mila olona mitady hifehy azy aminโ€™ny hery na tahotraโ€ฆ
Fa mila tompony mahay mandray fanapahan-kevitra, mametraka fitsipika mazava ary mifandray aminy aminโ€™ny fomba marina. ๐Ÿง ๐Ÿพ

Ny tena mpitarika tsara aminโ€™ny alika dia tsy mamorona tahotra.
Fa mamorona :
โœ… Fitokisana
โœ… Fahatsapana fiarovana
โœ… Fahatakarana
โœ… Fiaraha-miasa

๐Ÿพ Ireo fitsipika fototra aminโ€™ny Leadership tsara aminโ€™ny alika :
1๏ธโƒฃ Fitsipika mazava sy tsy miovaova
Mila mahafantatra izay andrasana aminy ny alika.
Ny fitsipika tsara dia tokony ho :
โœ”๏ธ Tsotra sy mora takarina
โœ”๏ธ Tsy miovaova arakaraka ny fotoana
โœ”๏ธ Ampiharina am-pitoniana
Raha ekena androany ny fihetsika iray nefa rarร na rahampitso, dia mampisavoritaka ny alika izany.
Ny alika dia mila olona mazava sy azo vinaniana.

2๏ธโƒฃ Fifehezana am-pahendrena ireo loharano manan-danja
Ny tompony dia tokony hahay hitantana ireo zavatra manan-danja aminโ€™ny fiainanโ€™ny alika :
๐Ÿ– Sakafo
๐ŸŽพ Lalao
๐Ÿšถ Fivoahana sy dia an-tongotra
โค๏ธ Fikarakarana sy fifantohana
Tsy midika izany hoe manakana na manjakazaka aminโ€™ny alika.
Fa midika hoe mampianatra azy :
โžก๏ธ Faharetana
โžก๏ธ Fifehezan-tena
โžก๏ธ Fanajana ny fitsipika
Ny alika mahay mifehy tena dia alika matotra sy mora tantanana.

3๏ธโƒฃ Fitarihana ny hetsika, fa tsy fanerena tafahoatra
Ny mpitari-dalana tsara dia manampy sy mitarika ny alikany aminโ€™ny :
๐Ÿ• Fivoahana
๐Ÿ• Fifandraisana aminโ€™ny olona sy biby hafa
๐Ÿ• Fotoananโ€™ny lalao
๐Ÿ• Fotoananโ€™ny fanabeazana sy fampiofanana
Aminโ€™izany fomba izany dia mianatra matoky ny tompony ny alika, satria fantany fa afaka mandray fanapahan-kevitra tsara ho azy ilay olona.

4๏ธโƒฃ Fifandraisana mazava
Ny alika dia mahazo tsara indrindra aminโ€™ny :
๐Ÿพ Fiteninโ€™ny vatanao
๐Ÿพ Toe-po sy fihetseham-ponao
๐Ÿพ Feonao
๐Ÿพ Fahazaranao isanโ€™andro
Ny olona tony sy tsy miovaova dia mahazo fiaraha-miasa tsara kokoa avy aminโ€™ny alikany.

5๏ธโƒฃ Ny fanabeazana no manorina fitokisana
Ny alika voaofana tsara dia tsy midika hoe alika voageja na manaiky fotsiny.
Fa alika :
๐Ÿ• Mahafantatra ny tontolo manodidina azy
๐Ÿ• Mahalala ny tokony hataony
๐Ÿ• Afaka miaina am-pilaminana miaraka aminโ€™ny olona
Ny fampianarana tsara dia tokony hiorina aminโ€™ny :
โค๏ธ Fanentanana sy fahalianana
โค๏ธ Valisoa rehefa manao tsara
โค๏ธ Fifandraisana mazava
โค๏ธ Fifandraisana tsara eo aminโ€™ny tompony sy ny alika

๐Ÿง  Tsarovy :
Ny tena leader aminโ€™ny alika dia tsy ilay mampatahotra azyโ€ฆ
Fa ilay lasa olona itokisanโ€™ny alikany sy ianteherany. ๐Ÿพ
Ny alika tsara fitondran-tena dia tsy vokatry ny fanjakazakana.
Fa vokatry ny olona mahay mitarika azy amim-pahendrena, fahalalana ary fitiavana. ๐Ÿ•โค๏ธ

๐Ÿ‘‡ Araka ny hevitrao, inona no fitsipika manan-danja indrindra hahazoana alika voalanjalanja?
Zarao ao aminโ€™ny commentaire ny traikefanao sy ny hevitrao. ๐Ÿพ
๐Ÿ“ข Amin'izao andro iraisam'pirenena hoan'ny alika izao, lazao anay ao amin'ny commentaire,inona ny tena olona na zavatra tinao ho hay, hoentinao mampianatra ny alikanao ? ๐Ÿ‘‡

ยฉ ร‰levage Chien de Garde & Compagnie

๐Ÿ• Ny alikanao mihinana isan'androโ€ฆ saingy tena mahazo ireo otrikaina ilain'ny vatany ve izy? ๐Ÿค”Maro ny tompon'alika no mi...
26/08/2026

๐Ÿ• Ny alikanao mihinana isan'androโ€ฆ saingy tena mahazo ireo otrikaina ilain'ny vatany ve izy? ๐Ÿค”

Maro ny tompon'alika no mieritreritra fa rehefa omena sakafo isan'andro fotsiny ny alika dia ampy izay.

Nefa mety:

๐Ÿถ Mihalehibe ny zanak'alikanao, nefa matahotra ianao sao tsy ampy hery sy tsy mivoatra tsara izy ?
โžก๏ธ Amin'ny vanim-potoanan'ny fitomboana dia mila otrikaina manokana ny vatany mba hananganana taolana matanjaka, nify salama ary hozatra tsara.

๐Ÿ• Mihena lanja ny alikanao, mora reraka, na sarotra aminy ny mamerina hery rehefa avy miasa ?
โžก๏ธ Ny alika miasa, alika mpiambina, na alika manao fanatanjahan-tena dia mandany hery betsaka ka mila fanohanana ara-tsakafo mifanaraka amin'ny filร ny.

โœจ Tsy mamirapiratra intsony ve ny volon'ny alikanao ? Malemy na mora simba ve ny hodiny ?
โžก๏ธ Tsy ny fikarakarana ivelany ihany no mamaritra ny hatsaran'ny volo. Mila otrikaina sahaza toy ny vitamina sy mineraly ihany koa ny vatana mba hanohanana ny fahasalaman'ny hoditra sy ny volo.

๐Ÿ‘‰ Ilain'ny alika en pรฉriode de croissance sy ny alika kely marefo ny mampiasa ireto vitamine ireto satria manampy be azy amin'ny fitombony (vatana, taolana, maha tsara volo,...) sy mapitombo ny anti corps ny satria dia feno ny otrikaina ilain'ny vatany ๐Ÿ‘Œ

๐Ÿฆด Manana alika lehibe karazana Berger Allemand, Cane Corso, Boerboel, Dogue Allemand na karazana lehibe hafa ve ianao ?

โžก๏ธ Mila fitandremana manokana ireo karazana alika lehibe ireo mandritra ny fitomboany mba hanohanana tsara ny fivoaran'ny taolana sy ny vatany.

Ny fahasalaman'ny alika dia tsy miankina amin'ny habetsahan'ny sakafo omena azy ihany, fa miankina amin'ny kalitao sy ny fifandanjan'ireo otrikaina azony isan'andro ihany koa. ๐Ÿพ

๐Ÿ’Š PET-FORCE : Fanohanana ara-tsakafo ho an'ny alikanao

PET-FORCE dia complรฉment alimentaire misy :
โœ… Calcium
โœ… Phosphore
โœ… Vitamines
โœ… Oligo-รฉlรฉments
โœ… Acides aminรฉs

Manampy amin'ny :
๐Ÿฆด Fanohanana ny fitomboan'ny taolana sy ny nify
๐Ÿ’ช Fanohanana ny fivelaran'ny hozatra sy ny tanjaka ara-batana
โœจ Fanatsarana ny kalitaon'ny volo sy ny hoditra
โšก Fanohanana ireo alika manana filร na ara-tsakafo ambony kokoa (hisorohana ny carence indrindra ireo alika lehibe matetika voa an'izy io ๐Ÿฅบ)

Mety indrindra ho an'ny :
๐Ÿพ Zanak'alika mbola mitombo
๐Ÿพ Alika lehibe mavitrika
๐Ÿพ Alika mpiambina na alika miasa

โš ๏ธ Marihina fa : ny complรฉment alimentaire dia tsy manolo ny sakafo voalanjalanja, fa manampy sy manohana ny fahasalaman'ny alika rehefa ampiasaina miaraka amin'ny :
โœ”๏ธ Sakafo tsara kalitao
โœ”๏ธ Fanatanjahan-tena mifanaraka amin'ny filร ny
โœ”๏ธ Fikarakarana sy fanaraha-maso tsy tapaka

๐Ÿ• Samy manana ny filร ny ny alika tsirairay, alefanay ao amin'ny commentaire ny ADMINISTRATION & POSOLOGIE ๐Ÿ‘‡ (fomba fampiasa azy)

๐Ÿ’ฌ Mety tsy hainao hoe isakin'ny inona ny alikanao no tokony hinana vitamine ?
๐Ÿถ Alefanay ao amin'ny commentaire ary ny liens misy ny fizarana fampianarana โฌ‡๏ธ

โค๏ธ Satria ny tompon'alika tsara dia tsy manome sakafo fotsinyโ€ฆ
fa mikarakara ny fahasalamana sy ny hoavin'ilay namany mahatoky ihany koa. ๐Ÿพ

25/08/2026

Mbola misy mรขle sy femelle dispo ๐Ÿ˜
โœ… Naissance 17 Juin
โœ… Fils de Micky sy Vanda.
โœ… Vaccin primo, Vermifuge ร  jour
โ˜Ž๏ธ 038 46 401 84 ( vidiny mora be ๐Ÿ˜ฑ )

CAUSE DE Dร‰PART DIA TSY MAINTSY ALEFA LERY ๐Ÿ˜ญโœ… RACE:   โค๏ธ (Voirs commentaire ๐Ÿ‘‡)Mbola ato lery fa tsy mbola nahazo famille...
24/08/2026

CAUSE DE Dร‰PART DIA TSY MAINTSY ALEFA LERY ๐Ÿ˜ญ
โœ… RACE: โค๏ธ (Voirs commentaire ๐Ÿ‘‡)
Mbola ato lery fa tsy mbola nahazo famille sahaza oazy ๐Ÿฅบ
Andeha rahampitso ilay frรจre ako ary tsisy mikarakara tsony ity alika ity ka tsy maintsy itediavana fianakavina vonona hikarakara sy andray azy androhany ๐Ÿค—
IZAY VONONA ARY MAHAFENO NY FEPETRA REHETRA AMIN'NY FITAIZANA AZY, MAHAFANTATRA NY MOMBAN'LE RACE ๐Ÿ‘‡ DIA MBA TONGA DIA MIANTSO NA MANDEFA MP AVY HATRANY FA NO MBA ALAIN'LERY REHEFA AZONAY ANTOKA IZAY MANDRAY AZY ๐Ÿ™ ( โ˜Ž๏ธ 0384640184 )

Tohiny.... Koa satria maro ianareo no liana mahakasika an'le fizarana ๐Ÿ• ๐๐ฒ ๐ญ๐ž๐ง๐š ๐Ÿ๐ข๐ญ๐š๐ซ๐ข๐ก๐š๐ง๐š ๐ฆ๐š๐ซ๐ข๐ง๐š ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐š๐ฅ๐ข๐ค๐š dia indr...
24/08/2026

Tohiny.... Koa satria maro ianareo no liana mahakasika an'le fizarana ๐Ÿ• ๐๐ฒ ๐ญ๐ž๐ง๐š ๐Ÿ๐ข๐ญ๐š๐ซ๐ข๐ก๐š๐ง๐š ๐ฆ๐š๐ซ๐ข๐ง๐š ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐š๐ฅ๐ข๐ค๐š dia indro ary,

๐Ÿง  Ireo toetra 5 anananโ€™ny tena mpitarika tsara ho anโ€™ny alikany :
1๏ธโƒฃ Fahamatorana sy faharetana aminโ€™ny fitsipika
Ny alika dia mianatra aminโ€™ny alalanโ€™ny fahazarana sy ny fitsipika mazava.
Raha tsy azo atao androany ny zavatra iray, dia tsy tokony avela hatao rahampitso.
Ny fahamarinan-toerana no manampy ny alika hahatakatra izay andrasantsika aminy.

2๏ธโƒฃ Fifehezana ny fihetseham-po
Mandinika antsika foana ny alika.
Ny tompony tony sy mahafehy tena dia manampy ny alika hifehy ny fihetseham-pony ihany koa. Ny hatezerana sy ny fikoropahana matetika dia tsy mampianatra alika ho voalanjalanja.

3๏ธโƒฃ Fifandraisana mazava
Tsy mahazo tsara ny teny lava be ataontsika ny alika.
Fa mahazo tsara kokoa izy aminโ€™ny :
๐Ÿพ Fomba fijerintsika sy fihetsiky ny vatantsika
๐Ÿพ Feontsika
๐Ÿพ Fahazarantsika isanโ€™andro
๐Ÿพ Valisoa omena rehefa manao tsara izy

4๏ธโƒฃ Fahalalana momba ny alika
Ny tompony mahay dia mahafantatra :
๐Ÿ• Ny filร nโ€™ny alika hanao fanatanjahan-tena
๐Ÿ• Ny filร na ara-tsosialy sy fifandraisana aminโ€™ny hafa
๐Ÿ• Ireo famantarana rehefa mitebiteby na tsy mahazo aina izy
๐Ÿ• Ny dingana tokony harahina aminโ€™ny fanabeazana sy fampiofanana

5๏ธโƒฃ Fitokisana ifampizarana
Ny fifandraisana tsara eo aminโ€™ny olona sy ny alika dia tsy tokony hiorina aminโ€™ny tahotra.
Fa miorina aminโ€™ny :
โค๏ธ Fanajana
โค๏ธ Fahatakarana
โค๏ธ Fiaraha-miasa
Ny alika tsara fitondran-tena dia tsy vokatry ny fanjakazakanaโ€ฆ
Fa vokatry ny olona mahay mitarika azy aminโ€™ny fahendrena sy fahatakarana. ๐Ÿ•โค๏ธ
Ny fanabeazana alika tena mahomby dia tsy mikendry ny handresy ny alikaโ€ฆ
Fa mikendry ny hanangana alika voalanjalanja sy tompony mahay mitarika.

โœ… Tinao ny halala misimisy kokoa, asinay exercices kely miendrika questions rรฉponses amin'izay mazava tsara aminao kokoa ny but an'ilay lesona sy ho azonao tsara ary halalanao ny erreur tsy mety ataonao amin'ny fitarihana ny alikanao ? ๐Ÿ˜‰
๐Ÿ‘‰ Soraty ao aminโ€™ny commentaire ny hevitrao, inona ny tena olanao sy ny zavatra tinao ho fantatra, hampalalao anay hafahanay manoma lesona spรฉcial ho anao ๐Ÿ‘‡๐Ÿพ

Aza adino ny mizara aminโ€™ireo tia alika hafa mba hampielezana fahalalana marina momba ny fanabeazana alika ๐Ÿ™ Mentionnรฉ-o ny namanao manana alika fa mety hanampy azy ireo izany ๐Ÿค—

Address

Avaradrano
Antananarivo

Telephone

+261334504315

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ร‰levage Chien de Garde & Compagnie posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share